- Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
- Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitsanganana amin'ny maty
Hoy Jesosy taminy: Izaho...
Fahafatesana
Hoy Jesosy taminy: Izaho...
Fanjakana
Moa tsy fantatrareo va...
Mesia
Ary hoy Jesosy taminy...
Fitsarana
Koa amin'izany dia tsy...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Aza mialona ny olon-dozabe,Na mifidy izay lalany akory,
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
