Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Mesia
- Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
- Fa Zaza no teraka ho antsika,
Zazalahy no omena antsika;
Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony,
ary ny anarany atao hoe
Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery,
Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana. - Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.
- Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.
- Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.
- Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.
- Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Krisimasy
Ka hiteraka Zazalahy izy...
Mpamonjy
Izao no fitiavana: tsy...
Fitoriana ny Filazantsara
Fa izao no nandidian'ny...
Fitsanganana amin'ny maty
Hoy Jesosy taminy: Izaho...
Ray
Tahaka ny fiantràn'ny ray...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Endrey, tsara sady mahafinaritraRaha ny mpirahalahy no miara-monina.Andinin-teny manaraka !
