Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Fahalalahan-tanana
- Izay manisy soa olona hohatavezina;
Ary izay mandena dia mba holemana kosa. - Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra.
- Dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.
- Omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
- Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.
- Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra;
Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy. - Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.
- Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.
- Mampahatanjaka ny reraka Izy,
ary izay kely hery dia omeny hery be. - Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.
- Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
- Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Manomeza
Aoka ny olona rehetra...
Hanina
Fa mahafa-po ny fanahy...
Fahazoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fijinjana
Ary Izay manome voa...
Fitiavan-tena
Tsy manao na inona...
Fifaliana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...