Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Fiarovana
- Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
- Hianao no fiereko,
miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao;
fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. - Andriamanitra no aro sy hery ho antsika;
Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy. - Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
- Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
- Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?"
- Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao;
ny tananao ankavanana no manohana ahy,
ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
Halalahinao ny lalana hodiaviko,
ka tsy mangovitra ny hato-tongotro. - Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
- Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
- Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho.
Inona no azon'ny olona atao amiko? - Fiereko sy ampingako Hianao;
Ny teninao no andrasako. - Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.
- Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
- Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany;
ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy;
Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy. - Ny volon'elany no anaronany anao,
Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao;
Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. - Fa izaho kosa dia hihira ny herinao,
ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina,
satria fiarovana avo ho ahy Hianao,
ary fandosirako amin'ny andro fahoriana. - Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana;
Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina. - Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
- Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy,
Voninahitro sy mpanandratra ny lohako. - Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah,
fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. - Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
- Tsara ny mialoka amin'i Jehovah
Noho ny mialoka amin'ny olona. - Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa;
Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy. - Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy;
Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy. - Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah?
Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Filaminana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Faharatsiana
Aza mety ho resin'ny...
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Tenin'Andriamanitra
Fa velona sy mahery...