Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fihirana
- Fa izaho kosa dia hihira ny herinao,
ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina,
satria fiarovana avo ho ahy Hianao,
ary fandosirako amin'ny andro fahoriana. - Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao;
ny molotro hidera Anao.
Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho;
amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako. - Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
- Jehovah Andriamanitrao no ao aminao,
Mahery Izy ka hamonjy;
Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy;
Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy;
Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. - Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
- Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany;
manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra
Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra,
ao amin'ny fonenany masina. - Ho faly sy ho ravoravo aminao aho;
hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô. - Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako;
ho faly amin'ny famonjenao ny foko.
Hihira ho an'i Jehovah aho,
satria nanisy soa ahy Izy. - Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa;
Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina. - Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao;
ny fanahiko koa izay efa navotanao. - Hianao no fiereko,
miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao;
fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. - Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô,
Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa. - Mankalazà an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony;
Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany. - Izy no nantsoin'ny vavako;
ary ny fanandratana Azy no teo ambanin'ny lelako. - Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho
sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko;
Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fiderana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fifaliana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.