Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny mihaino
- Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.
- Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.
- Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
- Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
- Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.
- Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
- Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre
Ny feon'ny fifonako Izy.
Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy,
Dia hiantso aho, raha mbola velona koa. - Izay mandinika ny teny no hahita soa;
Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra. - Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.
- Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
- Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
- Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
- Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
- Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah,
eny, Andriamanitro no nitarainako;
nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy,
ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny. - Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana;
Fa mivily izay mandà anatra. - Anaka, tandremo ny teniko;
Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
Aza avela hiala eo imasonao izy,
Fa raketo ao am-ponao. - Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko;
maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho. - Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
- Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. - Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
- Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
- Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana?
- Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.
- Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.
- Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy
ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Tenin'Andriamanitra
Fa velona sy mahery...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...