Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fanarahana
- Fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.
- Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
- Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako;
Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. - Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.
- Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.
- Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
- Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
- Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
- Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
- Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
- Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala.
- Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.
- Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah,
Dia izay mandeha amin'ny lalany. - Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona,
ka Izy no mankasitraka ny lalany. - Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
- Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
- Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
- Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
- Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
Esory amin'ny ratsy ny tongotrao. - Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.
- Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
- Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.
- Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra,
Amin'ny fitandremana ny didinao. - Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fanompoana
Koa amin'izany, ry rahalahy...
Fifanarahana
Koa aoka ho fantatrao...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...