DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fifehezan-tena

  • Tanàna rava tsy misy manda
    Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.
  • Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
  • Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra, ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
  • Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery,
    Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.
  • Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
  • Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.
  • Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela,
    Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
  • Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
  • Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.
  • Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay;
    Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry.
  • Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao.
  • Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa;
    Fa ny hendry kosa manindry fo.
  • Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.
  • Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
  • Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò.
  • Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.
  • Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
    Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
  • Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.
  • Efa nampanekeko ny masoko;
    Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?
  • Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.
  • Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana