DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny hatsaram-panàhy

  • Ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.
  • Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
  • Tsara Jehovah,
    fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana,
    Ka mahalala izay mialoka aminy.
  • Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
  • Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra,
    Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.
  • Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah
    amin'ny tanin'ny velona.
  • Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
  • Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
  • Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
  • Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra, ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
  • Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
  • Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra.
  • Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa,
    dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.
  • Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa;
    Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
  • Halaviro ny ratsy, manaova soa;
    mitadiava fihavanana, ka araho izany.
  • Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo?
  • Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
  • Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.
  • Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô,
    fa hatrizay hatrizay ireny.
    Aza ny fahotan'ny fahatanorako,
    na ny ratsy nataoko, no tsarovanao;
    fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy,
    noho ny fahasoavanao Jehovah ô.
  • Izao no lazain'i Jehovah:
    Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao,
    ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela.
    Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory,
    dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo;
    Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.
  • Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
  • Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny
    Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
  • Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.
  • Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra.
  • Fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana.

Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana