Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fandraisana
- Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
- Iza no mahita vehivavy tsara?
Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. - Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
- Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako;
Tsy misy kilema ianao. - Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra, ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
- Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
- Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny.
- Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa.
- Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
- Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina?
- Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra aminy.
- Trano sy harena no lova avy amin'ny ray;
Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah. - Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
- Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
- Ny vy maharanitra ny vy,
Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin'ny sakaizany. - Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
- Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
- Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra,
Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana. - Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.
- Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
- Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena,
Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena. - Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
- Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fanambadiana
Izay lehilahy mahazo vady...
Namana
Izay tena sakaiza tokoa...
Manaraka
Ary ny faharoa dia...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Mankalazà an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony;Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.Andinin-teny manaraka !
