DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fanetren-tena

  • Amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana.
  • Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
  • Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka;
    Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.
  • Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
  • Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
  • Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.
  • Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
  • Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy;
    Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
  • Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah
    Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
  • Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro.
  • Raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
  • Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
  • Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.
  • Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana;
    Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
  • Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.
  • Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.
  • Ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.
  • Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara
    Sy izay ilain'i Jehovah aminao,
    Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po
    Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena.
  • Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
  • Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry;
    Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
  • Tsara sy mahitsy Jehovah,
    ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
    Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy,
    ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
  • Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
  • Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra aminy.
  • Ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
  • Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.

Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
Hamantatra bebe kokoa...

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana