Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fiankohofana
- Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
- Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
- Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah.
Haleloia. - Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
- Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
- Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. - Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,
Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy. - Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy:
Fa mandrakizay ny famindram-pony. - Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
- ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao;
mitady Anao fatratra aho;
mangetaheta Anao ny fanahiko,
maniry Anao ny nofoko,
eto amin'ny tany maina
sy mangentana tsy misy rano. - Ny vavako ho feno ny fideràna Anao
sy ny fankalazana Anao mandrakariva. - Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
- Koa amin'izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren'ny sofinay.
- Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany;
manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra
Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra,
ao amin'ny fonenany masina. - Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
- Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika;
Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika. - Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao;
ny molotro hidera Anao.
Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho;
amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako. - Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko?
ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
Manantenà an'Andriamanitra,
fa mbola hidera Azy ihany aho,
Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. - Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
- Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra.
- Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany;
Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany. - Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah,
fa tsy misy afa-tsy Hianao;
ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika. - Mananty tanana aminao aho;
Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao. - Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao;
tsy misy soa ananako azo oharina aminao. - Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fiderana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Mihira
Fa izaho kosa dia...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Fanetren-tena
Amin'ny fanetren-tena rehetra sy...