Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny aretina
- Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
- Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
- Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
- Mahasitrana ny torotoro fo Izy
Sy mamehy ny feriny. - Nitondra ny aretintsika tokoa Izy
sady nivesatra ny fahoriantsika;
kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina
sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina. - Ny fo ravoravo mahasalama tsara;
Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana. - Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana;
Vonjeo aho, dia ho voavonjy;
Fa Hianao no fiderako. - Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
- Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
- Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
- Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
- Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo;
Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka. - Jehovah mampahiratra ny jamba
Jehovah mampitraka ny mitanondrika;
Jehovah tia ny marina. - Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra,
noho ny fitarainako mandrakariva. - Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy;
lehilahy ory sady zatra ny fahoriana,
Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy;
natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. - Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
- Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahasitranana
Fa hoy Jesosy taminy...
Fahasalamana
Fa manompoa an'i Jehovah...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...