DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fisaonana

  • Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
  • Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
  • Sambatra ny ory;
    fa izy no hampifalina.
  • Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.
  • Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany;
    nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany;
    amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina;
    Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
  • Satria izay be fahendrena dia be alahelo,
    ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.
  • Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;
    ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
  • Tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
  • Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
  • Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
  • Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.
  • Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
  • Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah,
    miverena amiko amin'ny fonareo rehetra
    ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.
  • Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,
    ary mihainoa ny fitarainako;
    aza mangina amin'ny ranomasoko
    fa vahiny aminao aho
    sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
  • Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah.
  • Jehovah mampahiratra ny jamba
    Jehovah mampitraka ny mitanondrika;
    Jehovah tia ny marina.
  • Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao.
  • Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;
    Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
  • Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao.
  • Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.
  • Maina ny voaloboka,
    malazo ny aviavy,
    ary malazo koa ny ampongaben-danitra
    sy ny rofia ary ny poma aza,
    dia ny hazo rehetra any an-tsaha;
    Eny, malazo ny fifalian'ny zanak'olombelona.
  • Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon'ny riananao;
    ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana