DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny hanina

  • Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy,
    Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
  • Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
  • Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.
  • Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
  • Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo; fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy.
  • Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
  • Izay manisy soa olona hohatavezina;
    Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
  • Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra. Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
  • Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.
  • Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.
  • Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
  • Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.
  • Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.
  • Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
  • Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
  • Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.
  • Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase.
  • Toho-tantely ny teny mahafinaritra,
    Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
  • Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
  • Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.
  • Tsy nihinana hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana mipaka.
  • Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana;
    fa izy no hovokisana.
  • Fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena.
  • Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
  • Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.

Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana