DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny sabata

  • Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
  • Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany. Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
  • Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa.
  • Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao
    ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina,
    ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana,
    ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina,
    ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin'ny lalanao,
    na manao izay tianao, na miteniteny foana,
    Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao,
    ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao,
    sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao;
    Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
  • Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.
  • Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana. Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata? Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy? Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata. ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona.
  • Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.
  • Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.
  • Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.
  • Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy.
  • Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany.
  • Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.
  • Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata. Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory. Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao. Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra. Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata. Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano? Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va? Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
  • Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
  • Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana