DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fanandevozana

  • Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
  • Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota.
  • Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
  • Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
  • Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly, tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.
  • Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.
  • Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo,
    Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra.
  • Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
  • Fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
  • Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako:
    Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana,
    sy hanaboraka ny fehin'ny zioga,
    sy handefa ny ampahorina ho afaka,
    ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
  • Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
  • Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
  • Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko,
    Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy;
    Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy,
    Sy fampahiratana amin'ny jamba,
    Hanafaka izay nampahorina.
  • Ny tanan'ny mazoto no hanapaka;
    Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
  • Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
  • Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
  • Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
  • Ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema, araka ny filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Sokafy ny vavanao hisolo ny moana,
Hahazoan'ny kamboty ny rariny.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana