DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny mpanafaka

  • Jehovah Andriamanitrao no ao aminao,
    Mahery Izy ka hamonjy;
    Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy;
    Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy;
    Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy.
  • Mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
    Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy;
    Andriamanitro, vatolampy ialofako,
    sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
  • Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.
  • Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
  • Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
  • Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona,
    ary ny fahotanao tahaka ny rahona;
    Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
  • Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.
  • Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana.
  • Maro ny fahorian'ny marina;
    nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.
  • Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho,
    ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro;
    fa notafiany fitafiana famonjena aho,
    ary nakanjoiny akanjo fahamarinana,
    toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona,
    ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
  • Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao;
    ny fanahiko koa izay efa navotanao.
  • Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko,
    satria Jehovah efa nanosotra Ahy
    hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra,
    efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy,
    ary hitory fanafahana amin'ny babo
    sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava.
  • Ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.
  • Eo an-tananao ny androko;
    Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko
    sy izay manenjika ahy.
  • Jehovah ô, Hianao no ialofako;
    aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho;
    vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
  • Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
  • Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy;
    Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy
    Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.
  • Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,
    noho ny voninahitry ny anaranao;
    ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay,
    noho ny anaranao.
  • Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga,
    Eny, amin'ny lela mamitaka.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana