Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fanantenana
- Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.
- Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko?
ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
Manantenà an'Andriamanitra,
fa mbola hidera Azy ihany aho,
Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. - Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;
Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra;
Handeha izy, nefa tsy ho reraka. - Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra;
Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra,
Hatramin'izao ka ho mandrakizay. - Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.
- Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
- Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana.
- Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
- Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.
- Fiereko sy ampingako Hianao;
Ny teninao no andrasako. - Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana).
- Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,
dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah. - Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah,
Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho;
Andriamanitro no hihaino ahy. - Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.
- Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo;
Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka. - Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko,
ka dia hanantena Azy aho. - Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro;
fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy;
Hianao no andrasako mandritra ny andro. - Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.
- Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay
araka ny anantenanay Anao. - Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko,
Ary ny teniny no nanantenako. - Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty.
- Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko,
satria Jehovah efa nanosotra Ahy
hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra,
efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy,
ary hitory fanafahana amin'ny babo
sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava. - Fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.
- Izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra.
- Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fankaherezana
Fa izay miandry an'i...
Fanahy
Ary ny Tompo izany...
Fampanantenana
Aza matahotra ianao, fa...
Aina
Kanefa any ianao no...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fanahy Masina
Ary ny Tompo izany...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana.Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka;Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.Andinin-teny manaraka !