Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fiderana
- Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
- Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah.
Haleloia. - Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao;
ny molotro hidera Anao.
Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho;
amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako. - Jehovah no heriko sy ampingako;
izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho;
dia mifaly ny foko,
ka ny hirako no hiderako Azy. - Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. - Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
- Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho;
hanambara ny fahagaganao rehetra aho. - Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra;
Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany. - Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko?
ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
Manantenà an'Andriamanitra,
fa mbola hidera Azy ihany aho,
Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. - Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho;
ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. - Fa Hianao no nahary ny voako;
Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy;
Mahagaga ny asanao;
Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. - Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
- Ny vavako ho feno ny fideràna Anao
sy ny fankalazana Anao mandrakariva. - Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
- Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô,
Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. - Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany;
Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany. - Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra.
- Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe:
Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany,
ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany.
Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. - Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana;
Vonjeo aho, dia ho voavonjy;
Fa Hianao no fiderako. - Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô,
Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa. - Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
- Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra.
- Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
- Izy no nantsoin'ny vavako;
ary ny fanandratana Azy no teo ambanin'ny lelako. - Andriamanitra no iderako ny teniny;
Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho;
inona no hataon'ny nofo amiko?
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Mihira
Fa izaho kosa dia...
Aina
Kanefa any ianao no...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Fankasitrahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...