DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny eritreritra

  • Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko;
    Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
    Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko,
    Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
  • Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
  • Ankino amin'i Jehovah ny asanao,
    Dia ho lavorary izay kasainao.
  • Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo
    ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
  • Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana;
    Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.
  • Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
  • Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
  • Jehovah ô, efa nandinika ahy
    Hianao ka mahalala ahy.
    Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako
    Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
  • Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany;
    Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
  • Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
  • Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao,
    Dia ho voalamina ny alehanao rehetra.
  • Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
  • Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.
  • Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy,
    Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
  • Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.
  • Efa nampanekeko ny masoko;
    Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?
  • Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy.
  • Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.
  • Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
  • Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,
    ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;
    ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny,
    fa hamindra fo aminy Izy,
    Eny, ho amin'Andriamanitsika,
    fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
  • Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.
  • Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
  • Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo. Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
  • Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho;
Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy;
Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may,
Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana