DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fakam-panahy

  • Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
  • Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
  • Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
  • Misy mahadia vain'afo va,
    Ka tsy ho may ny tongony?
  • Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
  • Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.
  • Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy,
    fa manafaha anay amin'ny ratsy.
  • Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.
  • Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;
    ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
  • Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
  • Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
  • Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
  • Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
  • Dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana.
  • Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
  • Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
  • Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô;
    efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy.
  • Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
  • Izay manafina ny fahotany tsy hambinina;
    Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana