Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fahalemena
- Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
- Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.
- Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,
dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. - Mampahatanjaka ny reraka Izy,
ary izay kely hery dia omeny hery be. - Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.
- Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
- Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
- Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.
- Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
- Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
- Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
- Ny fo ravoravo mahasalama tsara;
Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana. - Sokafy ny vavanao hisolo ny moana,
Hahazoan'ny kamboty ny rariny. - Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty;
omeo rariny ny ory sy ny malahelo. - Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon'ny riananao;
ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...
Vatana
Ahoana ary? Moa tsy...
Fifaliana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Fiankinan-doha
Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao...
Fitaovana
Ary aoka isika hifampandinika...
Tahotra
Aza matahotra ianao, fa...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra;Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra,
Hatramin'izao ka ho mandrakizay.Andinin-teny manaraka !