DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fitsaharana

  • Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
  • Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko;
    avy aminy ny famonjena ahy.
  • Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay,
    satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
  • Izao no lazain'i Jehovah:
    Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao,
    ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela.
    Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory,
    dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo;
    Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.
  • Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
    Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy;
    mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
  • Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra
    Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
    Izaho hilaza an'i Jehovah hoe:
    Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy
    Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
  • Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy.
  • Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
  • Andramo ka izahao fa tsara Jehovah;
    sambatra izay olona mialoka aminy.
  • Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
  • Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.
  • Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa.
  • Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko;
    fa Izy no antenaiko.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana