Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny asa
- Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.
- Ankino amin'i Jehovah ny asanao,
Dia ho lavorary izay kasainao. - Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.
- Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
- Ny tanan'ny mazoto no hanapaka;
Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina. - Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena,
Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany. - Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
- Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
- Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava;
Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo. - Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra.
- Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray;
Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay;
Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy. - Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.
- Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
- Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.
- Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
- Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
- Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo?
- Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana rehetra izay isasaran'ny olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy iainany omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
- Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
- Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
- Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
- Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
- Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.
- Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy.
- Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly, tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fahazoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Valisoa
Ary na inona na...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Fanompoana
Koa amin'izany, ry rahalahy...
Vola
Aoka tsy ho amin'ny...