DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fitiavan-bola

  • Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.
  • Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana.
  • Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
  • Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.
  • Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
  • Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.
  • Maniry fatratra mandritra ny andro izy;
    Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
  • Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava;
    Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
  • Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin'ny tànany ho valin'ny fisasarany.
  • Aza manasa-tena hanan-karena,
    Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
  • Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna ianareo.
  • Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao,
    Fa tsy ho amin'ny fieremana.
  • Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany.
  • Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
  • Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany.
  • Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
  • Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana