Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny trosa
- Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra;
Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome. - Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
- Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
- Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo,
Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra. - Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.
- Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
- Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.
- Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava;
Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo. - Ary mamelà ny helokay tahaka
ny namelanay izay meloka taminay. - Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy,
Raha azon'ny tananao atao ihany. - Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory".
- Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna ianareo.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Vola
Aoka tsy ho amin'ny...
Manomeza
Aoka ny olona rehetra...
Fanaovana ny marina
Anaka, aoka tsy ho...
Fitiavan-bola
Izay tia vola tsy...
Fitiavan-karena
Fa tsy nitondra na...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...