Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Fanahy
- Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.
- Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.
- Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
- Mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo; mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo.
- Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
- Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
- Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
- Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
- Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
- Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
- Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
- Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.
- Ampianaro hanao ny sitraponao aho;
Fa Hianao no Andriamanitro;
Aoka ny Fanahinao tsara
no hitarihanao ahy amin'izay tany marina. - Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
- Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko,
satria Jehovah efa nanosotra Ahy
hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra,
efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy,
ary hitory fanafahana amin'ny babo
sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava. - Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
- Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
- Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
- Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
- Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.
- Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.
- Aiza no hialako amin'ny Fanahinao?
Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao;
Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. - Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.
- Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.
- Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fanahy Masina
Ary ny Tompo izany...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa Jehovah no manome fahendrena;Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.Andinin-teny manaraka !