DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fahazoana

  • Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
  • Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.
  • Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
  • Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
  • Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra.
  • Omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
  • Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
  • Mananty tanana aminao aho;
    Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.
  • Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny.
  • Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
  • Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
  • Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
  • Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
  • Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana;
    fa izy no hovokisana.
  • Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
  • Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.
  • Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany.
  • Ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina.
  • Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.
  • Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.
  • Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana rehetra izay isasaran'ny olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy iainany omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
  • Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.
  • Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.
  • Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana