DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny mianatra

  • Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho;
    hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
  • Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
  • Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
  • Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana;
    Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.
    Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy.
  • Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô;
    ampianaro ny sitrakao aho.
  • Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
  • Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah,
    Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
    Fa izay tian'i Jehovah no anariny,
    Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.
  • Izay tia fananarana no tia fahalalana;
    Fa izay mandà anatra dia biby.
  • Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro;
    fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy;
    Hianao no andrasako mandritra ny andro.
  • Làlam-pahendrena no atoroko anao:
    Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.
  • Ampianaro hanao ny sitraponao aho;
    Fa Hianao no Andriamanitro;
    Aoka ny Fanahinao tsara
    no hitarihanao ahy amin'izay tany marina.
  • Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
  • Tsara sy mahitsy Jehovah,
    ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
    Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy,
    ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
  • Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
  • Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema.
  • Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
  • Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.
  • Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô,
    Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho;
    Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
  • Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.
  • Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina;
    Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra;
    Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao,
    dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
  • Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
  • Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako,
    Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko,
    Sy tahaka ny erika amin'ny ahi-maitso
    Ary ny ranonorana amin'ny anana.
  • Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
  • Ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano.
  • Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;
Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra;
Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana