Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fiadanana
- Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;
Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. - Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
- Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.
- Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.
- Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
- Sambatra ny mpampihavana;
fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra. - Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
- Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay,
satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy. - Ny saina tsy miovaova dia harovanao
ao amin'ny fiadanana tanteraka,
satria matoky Anao izy. - Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
- Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
- Hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
- Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery,
Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra. - Halaviro ny ratsy, manaova soa;
mitadiava fihavanana, ka araho izany. - Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.
- Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
- Mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.
- Be fiadanana izay tia ny lalànao,
Ary tsy misy mahatafintohina azy. - Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.
- Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra;
hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho,
hisandratra amin'ny tany Aho. - Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
- Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana.
- Jehovah hanome hery ny olony;
Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana. - Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
- Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady;
Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Faharatsiana
Aza mety ho resin'ny...