Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny manodidina
- Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
- Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny,
Katsaho mandrakariva ny tavany. - Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
- Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
- Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
- Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah,
izany no hotadiaviko,
dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah
amin'ny andro rehetra hiainako,
mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah
sy mandinika ny tempoliny. - Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao;
fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao,
ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay. - Fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.
- Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
- Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy,
Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. - Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny
Katsaho mandrakariva ny tavany. - Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
- Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.
- Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy
amin'ny andro rehetra hiainako,
dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho. - Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo;
aleoko mipetraka eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra,
toy izay mitoetra ao an-dain'ny ratsy fanahy. - Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy.
- Nefa noho ny haben'ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.
- Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy.
- Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
- Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.
- Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
- Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
- Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona;
Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Mitady
Ary hitady Ahy ianareo...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fiadanana
Hitahy anao anie Jehovah...