Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny aina
- Kanefa any ianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
- Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?
- Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko;
avy aminy ny famonjena ahy. - Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko?
ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
Manantenà an'Andriamanitra,
fa mbola hidera Azy ihany aho,
Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. - Izao no lazain'i Jehovah:
Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao,
ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela.
Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory,
dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo;
Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay. - Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.
- Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
- Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.
- Fa Hianao no nahary ny voako;
Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy;
Mahagaga ny asanao;
Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. - Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.
- ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao;
mitady Anao fatratra aho;
mangetaheta Anao ny fanahiko,
maniry Anao ny nofoko,
eto amin'ny tany maina
sy mangentana tsy misy rano. - Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. - Toho-tantely ny teny mahafinaritra,
Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana. - Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko,
Ary ny teniny no nanantenako. - Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga,
Eny, amin'ny lela mamitaka. - Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah,
mamelombelona ny fanahy;
mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah,
mahahendry ny kely saina. - Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
- Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao;
ny fanahiko koa izay efa navotanao. - Ary, indro, efa handeha ho amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
- Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko;
fa Izy no antenaiko. - Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona;
Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra? - Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Vatana
Ahoana ary? Moa tsy...
Fitsaharana
Mankanesa atỳ amiko, ianareo...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Fiderana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...