Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny lainga
- Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga;
Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. - Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
- Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga,
Eny, amin'ny lela mamitaka. - Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy,
sady misaintsaina ny marina ny fony;
Tsy manendrikendrika amin'ny lelany,
sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany. - Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy
ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. - Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
- Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy.
- Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
- Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga,
Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. - Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky;
Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra. - Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga;
Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky. - Ny mpivadibadika mamafy ady;
Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza. - Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.
- Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
- Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga;
Aza manome ahy alahelo na harena;
Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy. - Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
- Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah.
Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy
Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa. - Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany? Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.
- Ny teny malemy dia hazon'aina;
Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy. - Esory aminao ny vava mandainga,
Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. - Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala,
Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga. - Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana;
Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka. - Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
- Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina;
Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza. - Ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema, araka ny filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Fahamarinana
Izay mandeha tsy misy...
Fitabatabana
Ny mpivadibadika mamafy ady...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Fanaovana ny marina
Anaka, aoka tsy ho...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy:Fa mandrakizay ny famindram-pony.Andinin-teny manaraka !