Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fitabatabana
- Ny mpivadibadika mamafy ady;
Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza. - Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy,
sady misaintsaina ny marina ny fony;
Tsy manendrikendrika amin'ny lelany,
sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany. - Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina;
Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza. - Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.
- Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany;
Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. - Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga,
Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. - Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
- Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
- Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy
ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. - Ny teny malemy dia hazon'aina;
Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy. - Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py
Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lainga
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Fahamarinana
Izay mandeha tsy misy...
Faharatsiana
Aza mety ho resin'ny...
Fanaovana ny marina
Anaka, aoka tsy ho...
Namana
Izay tena sakaiza tokoa...