Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Rariny
- Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po
Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra. - Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
- Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
- Fa Jehovah tia rariny
sady tsy hahafoy ny olony masina;
Harovana mandrakizay ireo;
Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana. - Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany.
- Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany;
Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo. - Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
- Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy;
Hotsarovana mandrakizay ny marina. - Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. - Ny hanao izay marina sy mahitsy
No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà. - Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo.
- Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
- Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
- Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika.
- Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
- Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.
- Ankino amin'i Jehovah ny lalanao,
ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy,
ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. - Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao.
- Sambatra ny olona
izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy,
ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota,
ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira. - Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona;
Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana. - Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana;
fa izy no hovokisana. - Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa;
Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa. - Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.
- Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity;
Ka nony vita ny voady, vao mamototra. - Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao;
Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fitsarana
Koa amin'izany dia tsy...