DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fijaliana

  • Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
  • Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana.
  • Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
  • Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.
  • Maro ny fahorian'ny marina;
    nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.
  • Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay.
  • Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
  • Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota.
  • Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo.
  • Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy.
  • Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.
  • Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy;
    lehilahy ory sady zatra ny fahoriana,
    Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy;
    natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
  • Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
  • Nitondra ny aretintsika tokoa Izy
    sady nivesatra ny fahoriantsika;
    kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina
    sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.
  • Eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany.
  • Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.
  • Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.
  • Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah.
  • Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.
  • Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.
  • Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy. Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
  • Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
  • Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra,
    koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha.
  • Ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany. Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
  • Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.

Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô;
efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana