Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny faharetana
- Be saina izay mahatsindry fo;
Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany. - Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po.
- Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
- Amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana.
- Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.
- Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
- Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery,
Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra. - Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy;
Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany
dia amin'izay olona manao sain-dratsy. - Miandrasa an'i Jehovah ianao;
matokia, ary aoka hahery ny fonao;
eny, miandrasa an'i Jehovah. - Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
- Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.
- Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
- Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy.
- Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany;
nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany;
amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina;
Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. - Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko;
maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho. - Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
- Mamindra fo sy miantra Jehovah,
Mahari-po sady be famindram-po. - Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
- Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.
- Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
- Mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
- Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.
- Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.
- Ary ny fonareo no triatriaro,
fa aza ny fitafianareo,
ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo;
Fa mamindra fo sy miantra Izy,
mahari-po sady be famindram-po
ary manenina ny amin'ny loza. - Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana;
Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Andro farany
Aza mety hofitahin'olona akory...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fahasoavana
Koa aoka isika hanatona...
Fiverenana
Koa miomana kosa ianareo...
Hatezerana
Tezera, fa aza manota...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao;fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao,
ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.