Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny herim-po
- Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
- Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.
- Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
- Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
- Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,
dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah. - Eny, na dia mandeha mamaky
ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
dia tsy hatahotra ny loza aho,
fa Hianao no amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao,
ireo no mahafa-tahotra ahy. - Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.
- Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
- Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
- Miandrasa an'i Jehovah ianao;
matokia, ary aoka hahery ny fonao;
eny, miandrasa an'i Jehovah. - Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo. Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fankaherezana
Fa izay miandry an'i...
Tahotra
Aza matahotra ianao, fa...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...
Fanarahana
Fa ny lalana rehetra...
Fisaonana
Mitaraina ny marina, ary...