Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fankaherezana
- Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;
Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra;
Handeha izy, nefa tsy ho reraka. - Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
- Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
- Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho;
Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy;
Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may,
Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo. - Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.
- Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
- Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
- Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho;
Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany. - Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
- Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho;
hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. - Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,
dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah. - Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
- Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
- Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
- Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa;
Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona. - Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.
- Eny, na dia mandeha mamaky
ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
dia tsy hatahotra ny loza aho,
fa Hianao no amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao,
ireo no mahafa-tahotra ahy. - Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay.
- Satria malala eo imasoko ianao,
eny, be voninahitra ianao sady tiako,
dia olona no omeko ho solonao,
ary firenena ho solon'ny ainao. - Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
- Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy.
- Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray;
Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay;
Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy. - Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
- Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny.
- Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Herim-po
Ary Jehovah no mandeha...
Tahotra
Aza matahotra ianao, fa...
Mpampionona
Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...
Fijaliana
Ary Andriamanitry ny fahasoavana...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery,Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.