Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny sarobidy
- Satria malala eo imasoko ianao,
 eny, be voninahitra ianao sady tiako,
 dia olona no omeko ho solonao,
 ary firenena ho solon'ny ainao.
- Iza no mahita vehivavy tsara?
 Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
- Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao,
 ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.
- Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana;
 Afehezo eo am-bozonao izany,
 Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara
 Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
- Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
- Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
- Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
- Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
- Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.
- Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
- Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina;
 Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
- Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.
- Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fankaherezana
Ary Jehovah no mandeha...
Ray
Tahaka ny fiantràn'ny ray...
Asa
Ary na inona na...
Tahotra
Aza matahotra ianao, fa...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena;Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
