DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Filazantsara

  • Fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao.
  • Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.
  • Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
  • Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
  • Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
  • Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.
  • Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany;
    Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.
  • Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
  • Fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.
  • Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko,
    Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy;
    Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy,
    Sy fampahiratana amin'ny jamba,
    Hanafaka izay nampahorina.
  • Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.
  • Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
  • Sady ho amin'izany koa no niantsoany anareo tamin'ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika.
  • Mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
  • Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
  • Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe:
    Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany,
    ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany.
    Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.
  • Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema.
  • Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
  • Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
  • Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
  • Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
  • Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.
  • Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
  • Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
  • Izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra.

Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana