Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny mpidoroka
- Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
- Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
- Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
- Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
- Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
- Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
- Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany.
- Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao.
- Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota.
- Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
- Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
- Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy,
fa manafaha anay amin'ny ratsy. - Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.
- Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.
- Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
- Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Faniriana
Fa hoy izaho: Mandehana...
Fakam-panahy
Tsy misy fakam-panahy nahazo...
Fahafahana
Ho amin'ny fahafahana no...
Fanandevozana
Ho amin'ny fahafahana no...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Satana
Mahonòna tena, miambena: fa...