Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fahafahana
- Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
- Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.
- Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.
- Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.
- Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
- Ary handeha amin'ny malalaka aho;
Fa ny didinao no tadiaviko. - Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko,
satria Jehovah efa nanosotra Ahy
hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra,
efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy,
ary hitory fanafahana amin'ny babo
sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava. - Maro ny fahorian'ny marina;
nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany. - Fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
- Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
- Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana.
- Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
- Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko,
Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy;
Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy,
Sy fampahiratana amin'ny jamba,
Hanafaka izay nampahorina. - Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.
- Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena;
mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny fanambinana Izy;
fa ny maditra hitoetra amin'ny tany karankaina. - Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!
- Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,
noho ny voninahitry ny anaranao;
ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay,
noho ny anaranao. - Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.
- Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy;
Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy
Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Mpanafaka
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fanandevozana
Ho amin'ny fahafahana no...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Mpidoroka
Ny zavatra rehetra azoko...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.