DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fahamasinana

  • Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.
  • Fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho".
  • Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
  • Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto?
    Ny fitandremana araka ny teninao.
  • Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola.
  • Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko;
    Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
    Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko,
    Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
  • Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa.
  • Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, mitana ny tenin'ny fiainana.
  • Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.
  • Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany.
  • Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
  • Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah,
    fa tsy misy afa-tsy Hianao;
    ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika.
  • Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
  • Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina,
    izay monina mandrakizay, masina no anarany:
    Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako,
    ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena,
    hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena
    sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo.
  • Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.
  • Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
  • Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny.
  • Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
  • Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy,
    mba ho velona ianareo;
    Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro,
    araka izay efa nolazainareo.
  • Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
    Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
  • Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
    Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
  • Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity;
    Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
  • Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo.
  • Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.
  • Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.

Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany;
manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra
Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra,
ao amin'ny fonenany masina.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Eny, na dia mandeha mamaky
ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
dia tsy hatahotra ny loza aho,
fa Hianao no amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao,
ireo no mahafa-tahotra ahy.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana