DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fitaovana

  • Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
  • Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
  • Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
  • Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho;
    Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao;
    Mampahery anao Aho sady mamonjy anao;
    Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
  • Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,
    Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
    Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra,
    Fa Izy handamina ny lalanao.
  • Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah,
    fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
  • Mampahatanjaka ny reraka Izy,
    ary izay kely hery dia omeny hery be.
  • Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto?
    Ny fitandremana araka ny teninao.
  • Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
  • Jehovah Tompo no tanjako,
    Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy
    Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako.
  • Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra; ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra.
  • Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
  • Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy;
    ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.
  • Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
  • Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana