DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fanompoana

  • Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
  • Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
  • Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
  • Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.
  • Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
  • Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.
  • Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
  • Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.
  • Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo.
  • Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
  • Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
  • Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
  • Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona,
    ka Izy no mankasitraka ny lalany.
  • Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
  • Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
  • Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
  • Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.
  • Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
  • Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.
  • Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna ianareo.
  • Fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
  • Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony,
    ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
  • Ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.
  • Mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.
  • Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.

Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana