Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny vola
- Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory".
- Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava;
Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo. - Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana.
- Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena,
Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany. - Aza manasa-tena hanan-karena,
Aza entina amin'izany ny fahendrenao. - Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.
- Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao
Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra. - Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah
Toy izay harena be misy ahiahy. - Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
- Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
- Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
- Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena,
Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy. - Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
- Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.
- Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.
- Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.
- Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga;
Aza manome ahy alahelo na harena;
Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy. - Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa;
Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga. - Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.
Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka;
Fa Jehovah manohana ny marina. - Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.
- Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena,
Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena. - Aza manasa-tena hanan-karena,
Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy?
Fa maniry elatra tokoa izy
Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra. - Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
- Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana;
Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana. - Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy,
Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavan-karena
Fa tsy nitondra na...
Trosa
Misambotra ny ratsy fanahy...
Fitiavan-bola
Izay tia vola tsy...
Fahantrana
Dia hoy Jesosy taminy...
Fanaovana ny marina
Anaka, aoka tsy ho...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...