Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fahantrana
- Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
- Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
- Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina,
Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo. - Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa;
Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona. - Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty;
omeo rariny ny ory sy ny malahelo. - Tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
- Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena;
izy no mampietry sy mampisandratra. - Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
- Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy; ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
- Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo,
Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra. - Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah
ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra. - Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
- Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga;
Aza manome ahy alahelo na harena;
Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy. - Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy;
Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory. - Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho
sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko;
Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko. - Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa;
Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga. - Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko,
Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy;
Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy,
Sy fampahiratana amin'ny jamba,
Hanafaka izay nampahorina. - Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
- Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko,
satria Jehovah efa nanosotra Ahy
hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra,
efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy,
ary hitory fanafahana amin'ny babo
sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava. - Mitsangàna, Jehovah ô;
Andriamanitra ô, atsangano ny tananao,
aza manadino ny ory.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Vola
Aoka tsy ho amin'ny...
Fitiavan-karena
Fa tsy nitondra na...
Manomeza
Aoka ny olona rehetra...
Manaraka
Ary ny faharoa dia...
Hanina
Fa mahafa-po ny fanahy...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...