DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny mpitondratena

  • Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
  • Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
  • Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo. Fa raha mampahory azy na amin'inona na amin'inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho, ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin'ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
  • Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany;
    manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra
    Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
    Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra,
    ao amin'ny fonenany masina.
  • Mianara hanao ny tsara,
    Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory,
    Omeo rariny ny kamboty,
    tsarao ny adin'ny mpitondratena.
  • Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy; ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
  • Jehovah miaro ny vahiny
    Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena,
    Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa.
  • Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina,
    Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
  • Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho
    sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
    Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko;
    Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko.
  • Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany ianareo, Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin'ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo, Dia hamponeniko amin'ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo, hatramin'ny ela ka ho mandrakizay.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana